Ry olo-mitomany
Misentosento lava,
Milaza fa ny tany
Feno haizin-tsy misava!
Moa marina e izany?
Moa tena fahoriana
No hita hatrany hatrany,
Fa tsy mba fifaliana?
Ry olo-mitomany,
Mitrakà vetivety:
Dinihonao ny tany
Miravo sy mifety!
'Reo tendrombohitra avo,
Havoana marobe;
Ny vato mena, mavo,
Tsy tena kanto ve?
He' rony koa ny ala,
Indreo ny renirano;
Moa mampisalasala
Fa tsara ireo? … Tazano!
|
Jereo ny zaridaina,
Todiho ny lohasaha;
Tsy faly ve ny saina?
Endrey maha-te-hizaha!
Ireo izay nambolena
Dia vokatra isan-taona.
Salama koa ny tena;
Nahoana no hisaona?
Tsy tanim-pahoriana
'Zao tanintsika izao!
Vonoy ny hakiviana;
Ho sambatra ianao!
Fotoana isentoana
Tsy betsaka tsy akory;
Minitra vitsy foana
Dia lasa ny mahory!
Ny ora maro sisa
Dia feno fitahiana,
Koa zovy no hanisa
'Reo poti-pijaliana?
|